<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>23</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Tsy misy zava-mahasoa,
 Andriamanitra ô !
 Izay tsy nataonao ho anay
 Mba hifalianay.

[V2]
 Tsy misy singan'ahitra,
 Na ravin-kazo koa,
 Izay tsy amantaranay
 Fa hendry Hianao.

[V3]
 Ny kintana mazava erý
 Maneho avokoa
 Fa sitrakao hanafaka
 Ny aizina aminay.

[V4]
 Izay rehetra tazanay
 Dia voninahitrao ;
 Izay rehetra takona
 Milaza izany koa.

[V5]
 Ny tany sy ny lanitra
 Nataon'ny herinao
 Dia azo ianarana
 Ny famindramponao.</lyrics>
<title>Tsy misy zava-mahasoa FFPM23</title>
<author>J. Walch</author>
</song>